1 Kings 7:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny atin’ny fanamafisana sy ny atiny hafa izay mbola nisy toerana malalaka dia nosoratany sarin’ny kerobima sy liona ary hazo palma sady nasiany rojo manodidina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tavan’ny fitehenany sy ny panoany, dia nisokirany kerobima sy liona ary rofia, araka ny halalahan’ny fitoerana voatokana ho azy avy, sady nasiana tanjomiolaka manodidina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo amin’io faritra marin-tampona io, ny toerana tsy mbola voaravaka fihazonana dia nosokirina sarina kerobima sy liona ary hazo rofia; ary nasiana fesitaonina ny manodidina.
Malagasy Bible 1865
Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny atin’ny fanamafisana sy ny atiny hafa izay mbola nisy toerana malalaka dia nosoratany sarin’ny kerobima* sy liona ary hazo palma sady nasiany rojo manodidina.
malagasy
Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. [palma]