1 Kings 7:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao koveta varahina folo koa izy; ny koveta dia nahalany efapolo bata avy; samy efatra hakiho avy ny koveta; ary koveta iray avy no tamin’ny fitoerany folo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo vata avy, efatra hakiho ny haben’ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin’ny tongotra anankiray tamin’ny iray amin’ny tongotra folo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanao kovetabe halimo folo fasian-drano i Hirama, dia kovetabe hapetraka eo amin’ny kalesy folo. Ny kovetabe tsirairay dia nirefy roa metatra ny haavony ary niaty 1 600 litatra eo ho eo.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao koveta varahina folo koa izy; ny koveta dia nahalany efapolo bata* avy; samy efatra hakiho* avy ny koveta; ary koveta iray avy no tamin’ny fitoerany folo.
malagasy
Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.