1 Kings 7:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nametraka ny fitoeran’ireo koveta izy, dimy teo ankavanan’ny Trano, ary dimy teo ankavian’ny Trano; ilay koveta lehibe koa dia nataony teo ankavanan’ny Trano, teo atsimo atsinanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka toy izao no nandaharany ny tongotra folo: ny dimy nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavanana, ny dimy kosa nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavia; ary ny ranomasina nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavanana, amin’ny atsinanana somary atsimo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nametraka kalesy dimy teo amin’ny ila ankavanan’ny tempoly izy, ary dimy hafa teo amin’ny ila ankavia. Ny fitobian-drano goavana dia napetrany teo amin’ny ila ankavanan’ny tempoly, akaikin’ny zoro atsimo atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nametraka ny fitoeran’ireo koveta izy, dimy teo ankavanan’ny Trano, ary dimy teo ankavian’ny Trano; ilay koveta lehibe koa dia nataony teo ankavanan’ny Trano, teo atsimo atsinanana.
malagasy
Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.[Heb. ranomasina]