1 Kings 7:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao ireo koveta sy ireo sotron’afo ary ireo lovia famafazana i Hirama. Vitan’i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. Ireto izany:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ny vilany sy ny sotron’afo ary ny kapoaka i Hirama Ary vitan’i Hirama ny asa rehetra nataony ho an’i Salômôna mpanjaka, tao amin’ny tranon’i Iaveh:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa vitan’i Hirama ny kovetabe sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa izay tokony ho nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’ny TOMPO, dia ireto avy:
Malagasy Bible 1865
Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao ireo koveta sy ireo sotron’afo ary ireo lovia famafazana i Hirama. Vitan’i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. Ireto izany:
malagasy
Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah: