1 Kings 7:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ireo vilany sy sotron’afo ary ireo lovia famafazana. Ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon’i Hirama ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO, dia varahina mamirapiratra avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny tavy sy ny sotron’afo ary ny kapoaka. Varahina manganohano avokoa ireo fanaka nataon’i Hirama ho an’i Salômôna ireo, tao amin’ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny vilany fasian-davenona mbamin’ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana. Ireo kojakoja rehetra, izay nataon’i Hirama araka ny baikon’i Salômôna mpanjaka mba ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita tamin’ny halimo mamiratra avokoa.
Malagasy Bible 1865
ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ireo vilany sy sotron’afo ary ireo lovia famafazana. Ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon’i Hirama ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO, dia varahina mamirapiratra avokoa.
malagasy