1 Kings 7:49 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny fitoeran-jiro, dimy amin’ny ankavanana ary dimy amin’ny ankavia, teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, dia samy volamena voafantina; ireo voninkazo sy ireo jiro ary ireo hetin-jiro dia samy volamena avokoa;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny fanaovan-jiro volamena madio, dimy teo ankavanana, ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny orakla, mbamin’ny voniny; ny lela fanaovan-jiro sy ny hetin-jirony volamena,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny fitoeran-jiro folo napetraka teo anoloan’ny efitra masina indrindra, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia, dia samy volamena madio avy; ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena avy;
Malagasy Bible 1865
ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny fitoeran-jiro, dimy amin’ny ankavanana ary dimy amin’ny ankavia, teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, dia samy volamena voafantina; ireo voninkazo sy ireo jiro ary ireo hetin-jiro dia samy volamena avokoa;
malagasy