1 Kings 7:50 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ireo lovia, antsy, vilia famafazana, lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena voafantina; ny savily ho amin’ny lelam-baravaran’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin’ny lelam-baravaran’ny tempoly, dia samy volamena avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny tavin-drano, ny antsy, ny kapoaka, ny lovia kely, sy ny fanembohana volamena madio, mbamin’ny lahin-tsavily amin’ny varavaran’ny efitrano anatiny, izany hoe: ny Fitoerana Masina indrindra, sy amin’ny varavaran’ny trano, izany hoe ny Fitoerana Masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny koveta, ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ny sotro ary ny fitaovam-panembohana dia samy volamena madio avy; ny savilim-baravaran’ny efitra atao hoe Toeramasina Indrindra sy ny savilim-baravaran’ilay efitrano malalaka dia samy volamena avokoa.
Malagasy Bible 1865
ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ireo lovia, antsy, vilia famafazana, lovia kely ary ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena voafantina; ny savily ho amin’ny lelam-baravaran’ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin’ny lelam-baravaran’ny tempoly, dia samy volamena avokoa.
malagasy
ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.