1 Kings 7:51 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany no nahavitana ny asa nataon’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia nampidirin’i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, ka nataony tao amin’ny efitrano fitahirizana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany no nahavitana ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna mpanjaka, tamin’ny tranon’i Iaveh, dia nentin’i Salômôna izay rehetra nataon’i Davida rainy, ny volafotsy, ny volamena, sy ny fanaka rehetra, ka napetrany tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja samihafa ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany no nahavitana ny asa nataon’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia nampidirin’i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, ka nataony tao amin’ny efitrano fitahirizana.
malagasy