1 Kings 7:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataony koa ny lalantsara maro andry; dimampolo hakiho ny lavany ary telopolo hakiho ny sakany; nisy koa ny lalantsara fidirana teo anoloany ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan’io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ny trano heva misy andriny izy; 50 hakiho ny sakany, ary telo anoloan’io koa nasiany trano heva, nisy andriny sy ambaratonga teo anoloan’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natao koa ny «Efitra maro andry» izay mirefy 25 metatra ny lavany ary 15 metatra ny sakany. Izany no natao lalantsara fidirana niaraka tamin’ny andry sy ny tatao fialofana izay teo anoloan’ny «Ny Alan’i Libano».
Malagasy Bible 1865
Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataony koa ny lalantsara maro andry; dimampolo hakiho ny lavany ary telopolo hakiho ny sakany; nisy koa ny lalantsara fidirana teo anoloany ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan’io.
malagasy