1 Kings 7:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tranony izay nitoerany dia teo amin’ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lalantsara fidirana ary nitovy rafitra tamin’io koa. Ary nanao trano tahaka izany lalantsara fidirana manodidina ny kianja lehibe izany koa i Solomona ho an’ny zanakavavin’i Farao izay nampakariny ho vady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny trano nitoerany dia nataony torak’izany koa, tao amin’ny kianja anankiray manarakaraka ny trano heva, ary nanao trano mitovy amin’io trano heva io koa izy, ho an’ny zanaka vavin’i Faraôna izay nampakarin’i Salômôna ho vady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny trano izay nitoeran’i Salômôna dia tany amin’ny kianja hafa anatiny kokoa noho ny «Efitra Fitsarana», nefa dia nitovy rafitra tamin’ny trano «Alan’i Libano» ihany. Farany, ny trano ho an’ny zanakavavin’ny Farao, izay nampakarin’i Salômôna ho vady, dia natao tahaka ny nanaovana ny lalantsaran’ny «Ny Alan’i Libano».
Malagasy Bible 1865
Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tranony izay nitoerany dia teo amin’ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lalantsara fidirana ary nitovy rafitra tamin’io koa. Ary nanao trano tahaka izany lalantsara fidirana manodidina ny kianja lehibe izany koa i Solomona ho an’ny zanakavavin’i Farao izay nampakariny ho vady.
malagasy