1 Kings 7:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo rehetra ireo dia vato voafantina avokoa, voapaika araka ny marika sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatreo amin’ny fanambaniny ka hatrany an-tampony, ary teo ivelany koa, hatrany amin’ny kianja lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny nandrafetana izany rehetra izany, dia vato be vidy avokoa, voapaika ara-marika, voatsofa tamin’ny tsofa, na atiny na ivelany, hatraty am-potony ka hatrany amin’ny koronosy, ary teo ivelany koa hatrany amin’ny tokotany lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo trano rehetra ireo dia natao tamin’ny vato voafantina tsara avokoa izay nanana ny refin’ny vato voapaika; sady voatsofa ny lafiny hita maso amin’ny tavan-drindrina atiny sy ivelany. Hatreo am-poto-trano ka hatrany an-tampony no nampiasana ireo vato ireo ary koa hatramin’ny tamboho ivelany manodidina ny kianja lehibe.
Malagasy Bible 1865
Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja lehibe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo rehetra ireo dia vato voafantina avokoa, voapaika araka ny marika sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatreo amin’ny fanambaniny ka hatrany an-tampony, ary teo ivelany koa, hatrany amin’ny kianja lehibe.
malagasy