1 Kings 8:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’izany i Solomona mpanjaka dia namory tany aminy any Jerosalema ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Zanak’Israely, mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy ao Ziona, Tanànan’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany novorin’i Salômôna tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon’i Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian’ny zanak’i Israely, mba hamindra ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay fotoana izay dia novorin’i Salômôna mpanjaka teo aminy tao Jerosalema ny loholon ’i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao Tsiôna Tanànan’i Davida hankao an-tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon'ny Isiraely sy ny lohan'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’izany i Solomona mpanjaka dia namory tany aminy any Jerosalema ny loholon’ny Israely sy ny lohan’ny foko rehetra, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Zanak’Israely, mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy ao Ziona*, Tanànan’i Davida.
malagasy
[Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon'ny Isiraely sy ny lohan'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan'i Davida.