1 Kings 8:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany no niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany no nanatanteraka izany taminy, dia ilay teny hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy: «Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa ny vavany efa niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany efa nanatanteraka izay nolazainy hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo izy dia niteny hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely! Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany no niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany no nanatanteraka izany taminy, dia ilay teny hoe:
malagasy
ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe: