1 Kings 8:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’ny andro nitondrako ny Israely oloko nivoaka avy tany Ejipta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ireo firenen’ny Israely hanorenako trano hitoeran’ny anarako; nefa nifidy an’i Davida Aho hitondra ny Israely oloko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny andro nitondrako an’i Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta dia tsy nifidy tanàna teo amin’ny fokon’i Israely rehetra aho, hanaovan-trano hitoeran’ny Anarako, fa efa nifidy an’i Davida hanjaka amin’i Israely vahoakako aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hatramin’ny andro nitondrako an’i Israely vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; nefa kosa nofidiko ianao, ry Davida, hifehy ilay Israely vahoakako.»
Malagasy Bible 1865
Hatramin'ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran'ny anarako; fa nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’ny andro nitondrako ny Israely oloko nivoaka avy tany Ejipta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ireo firenen’ny Israely hanorenako trano hitoeran’ny anarako; nefa nifidy an’i Davida Aho hitondra ny Israely oloko.
malagasy