1 Kings 8:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO efa nanatanteraka ny teniny izay nolazainy. Koa nitsangana handimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely araka izay nolazain’NY TOMPO, sady izaho koa dia efa nanorina ny trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary notanterahin’i Iaveh ny teny efa nolazainy, fa nisandratra handimby an’i Davida raiko aho, ary nipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh ary nanao ny trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notanterahin’ny TOMPO araka izany tokoa ny fampanantenana izay nolazainy; fa nandimby an’i Davida raiko ary mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely, araka ny voalazan’ny TOMPO, sady efa nanorina ity tempoly ity ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO efa nanatanteraka ny teniny izay nolazainy. Koa nitsangana handimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely araka izay nolazain’NY TOMPO, sady izaho koa dia efa nanorina ny trano ho an’ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
malagasy