1 Kings 8:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nasiako toerana ho an’ny vata izay itoeran’ny faneken’NY TOMPO ao, dia ilay nataony tamin’ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasiako fitoerana teo, ho an’ny Fiara misy ny faneken’i Iaveh izay nataony tamin’ny razantsika, fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasiako toerana aza teo ho an’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny razantsika, fony Izy nitondra azy niala tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Ary nasiako fitoerana teo ho an'ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nasiako toerana ho an’ny vata izay itoeran’ny faneken’NY TOMPO ao, dia ilay nataony tamin’ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta.
malagasy
Ary nasiako fitoerana teo ho an'ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.