1 Kings 8:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
no niteny hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy andriamanitra tahaka Anao na any amin’ny lanitra ambony na etỳ amin’ny tany ambany, izay mitandrina ny fanekena sy ny famindrampo ho an’ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony manontolo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na amin’ny lanitra ambony na amin’ny tany ambany, fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nivavaka hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra ambony, na etỳ an-tany ambany. Tandrovinao hatrany ny fanekempihavananao sy ny fitiavanao amin’ireo mpanomponao izay mizotra eo anatrehanao amin’ny fony manontolo.
Malagasy Bible 1865
ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin'ny lanitra ambony na amin'ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
no niteny hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy andriamanitra tahaka Anao na any amin’ny lanitra ambony na etỳ amin’ny tany ambany, izay mitandrina ny fanekena sy ny famindrampo ho an’ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony manontolo,
malagasy