1 Kings 8:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny, ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho amin’i Davida mpanomponao ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako, izay hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, noho ny fankasitrahanao an’i Davida raiko mpanomponao, dia tanteraho izay voalazanao taminy hoe: Tsy ho lany taranaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely eo anatrehako, ianao, raha mitandrina ny lalany ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako, toy ny nandehananao teo anatrehako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao, ka mizotra eo anatrehako toy ny nataonao, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›
Malagasy Bible 1865
Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny, ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho amin’i Davida mpanomponao ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako, izay hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao, raha mitandrina ny alehany ny zanakao ka mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
malagasy