1 Kings 8:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mihetseha ary tsarao ny mpanomponao, mba hanamelohana ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ny lohany ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia mihainoa azy any an-danitra, ary manefà, dia mitsarà ny mpanomponao, manameloka izay meloka, mampitsingerina amin’ny lohany ny nataony, manambara ny tsy manan-tsiny ho marina sy mamaly azy araka ny tsy fananany tsiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia mba mihainoa avy any an-danitra Ianao, TOMPO ô, ka midira an-tsehatra hitsara ireo mpanomponao ireo; dia sazio ny olo-meloka ary atsingereno aminy ny ratsy nataony, fa ambarao ho marina kosa ny olo-marina ka valio soa araka ny fahamarinany.
Malagasy Bible 1865
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mihetseha ary tsarao ny mpanomponao, mba hanamelohana ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ny lohany ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
malagasy