1 Kings 8:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, dia ny Israely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany ary mandatsaha ranonorana amin’ny taninao izay nomenao ho lovan’ny olonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia mihainoa azy Ianao any an-danitra ka avelao ny fahotan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao sady manoroa azy ny lalana tsara tsy maintsy alehany, ary alatsaho ny ranonorana amin’ny tany nomenao ny vahoakanao ho lovany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia mba mihainoa avy any an-danitra Ianao, TOMPO ô, ka hamela ny fahotan’ireo mpanomponao, izany hoe ny Israelita vahoakanao; dia hampianarinao azy anie ny fitondrantena tsara izay tokony hizorany ary handatsahanao ranonorana ity taninao izay efa nomenao ho fananan’ny vahoakanao ity.
Malagasy Bible 1865
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, dia ny Israely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany ary mandatsaha ranonorana amin’ny taninao izay nomenao ho lovan’ny olonao.
malagasy