1 Kings 8:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’ny olona rehetra, na ny Israely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian’ny fony avy ka mamelatra ny tanany manatrika ity trano ity izy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha manao fivavahana sy fifonana ny olona na iza na iza sy i Israely rehetra vahoakanao, sady samy miaiky ny ferin’ny fony ka mamela-tanana manandrify ity trano ity,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ny olona tsirairay na ny Israelita vahoakanao no samy mahatsapa ny fahoriam-pony, ka manandra-tanana mitodika amin’ity trano ity ary manao vavaka amam-pifonana isan-karazany,
Malagasy Bible 1865
izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian'ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’ny olona rehetra, na ny Israely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian’ny fony avy ka mamelatra ny tanany manatrika ity trano ity izy,
malagasy
izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian'ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy