1 Kings 8:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka mamelà heloka, ary mihetseha ka omeo araka ny alehany rehetra ny olona; fa fantatrao ny fony, fa Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mihainoa any an-danitra any amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka mamelà heloka azy, tanteraho ka valio araka ny lalany rehetra avy izy, fa Ianao mahalala ny fony, Ianao irery no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, TOMPO ô, ka mamelà heloka azy; ary midira an-tsehatra Ianao ka araka ny sori-dalana rehetra nizorany anie no samy hamalianao azy avy, satria fantatrao ny fony; eny, Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny olombelona rehetra.
Malagasy Bible 1865
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka mamelà heloka, ary mihetseha ka omeo araka ny alehany rehetra ny olona; fa fantatrao ny fony, fa Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,
malagasy