1 Kings 8:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampiakariny ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny tranolay fihaonana mbamin’ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny tranolay. Nampiakarin’ny mpisorona sy ny levita ireo zavatra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiny ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin’ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpisorona sy ny levita no nampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.
Malagasy Bible 1865
ary dia nampakariny ny fiaran'i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin'ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampiakariny ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny tranolay fihaonana* mbamin’ny fanaka masina rehetra izay tao amin’ny tranolay. Nampiakarin’ny mpisorona sy ny levita* ireo zavatra ireo.
malagasy
ary dia nampakariny ny fiaran'i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin'ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.