1 Kings 8:46 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha manota aminao izy, satria tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy eo anoloan’ny fahavalony ka hoentin’ny mpamabo ho babo any amin’ny tanin’ny fahavalo izy, na ho lavitra izany na ho akaiky,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao, ary manolotra azy amin’ny fahavalony, aty ny mpandresy hitondra azy ho babo, any amin’ny tanim-pahavalo, na ho lavitra na ho akaiky,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mety hanota aminao ny Israelita fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy amin’ny fahavalony; dia hoentin’ny mpamabo ho babo any an-tany lavitra na akaiky ireo.
Malagasy Bible 1865
Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia ho entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tanin'ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha manota aminao izy, satria tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy eo anoloan’ny fahavalony ka hoentin’ny mpamabo ho babo any amin’ny tanin’ny fahavalo izy, na ho lavitra izany na ho akaiky,
malagasy