1 Kings 8:47 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha mahatsiaro any amin’ny tanin’ireo mamabo azy ireo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ny tany izay nitondrany azy ho babo any ary miteny hoe: Efa nanota izahay sady nanao izay meloka sy nanao izay ratsy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin’ny tanin’ny mpandresy azy, ka mibebaka izy sy manolotra fifonana aminao, any amin’ny tanin’ireo nambabo azy, manao hoe: Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay, efa nahavita heloka izahay!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa mieritreritra izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, dia hivalo sy hifona aminao manao hoe: ‹Efa nanota izahay sady efa nahavita heloka sy efa nanao ratsy›;
Malagasy Bible 1865
ary mahatsiaro any amin'ny tanin'ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha mahatsiaro any amin’ny tanin’ireo mamabo azy ireo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ny tany izay nitondrany azy ho babo any ary miteny hoe: Efa nanota izahay sady nanao izay meloka sy nanao izay ratsy,
malagasy