1 Kings 8:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha miverina aminao amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ao amin’ny tanin’ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka Aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay naoriko ho an’ny anaranao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady miverina aminao amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, any an-tanin’ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka manao fivavahana aminao mitodika atỳ amin’ny taniny izay nomenao ny razany, sy atỳ amin’ny tanàna voafidinao, ary atỳ amin’ny trano nataoko ho an’ny Anaranao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary hiverina aminao amin’ny fo sy fanahy manontolo izy ao amin’izany tany nitondrana azy ho babo izany sady hivavaka mitodika amin’ity taniny izay nomenao ny razany ity sy amin’ity tanàna voafidinao ity ary amin’ity tempoly izay naoriko ho voninahitrao ity,
Malagasy Bible 1865
ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin'ny tanin'ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha miverina aminao amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ao amin’ny tanin’ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka Aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay naoriko ho an’ny anaranao,
malagasy