1 Kings 8:53 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Ianao no nanavaka azy tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany mba ho lovanao, araka izay nampilazainao an’i Mosesy mpanomponao tamin’ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry TOMPO Andriamanitra ô!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa navahanao tamin’ny vahoaka rehetra eto an-tany izy mba ho anao, mba ho lovanao, araka ny voalazanao tamin’i Môizy mpanomponao, fony Ianao nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry Iaveh Tompo ô!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria Ianao no nanavaka anay tamin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany mba ho fanananao, araka ny nampilazainao an’i Mosesy mpanomponao fony Ianao nitondra ny razanay niala tany Ejipta.»
Malagasy Bible 1865
Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an'i Mosesy mpanomponao tamin'ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Ianao no nanavaka azy tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany mba ho lovanao, araka izay nampilazainao an’i Mosesy mpanomponao tamin’ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry TOMPO Andriamanitra ô!
malagasy