1 Kings 8:56 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isaorana anie NY TOMPO, izay nanome fitsaharana ho an’ny Israely olony araka izay rehetra nolazainy! Tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hankalazaina anie i Iaveh, izay nanome fitsaharana an’i Israely vahoakany araka izay rehetra voalazany. Fa amin’ny teny soa rehetra nampandrenesiny tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony dia tsy misy teny tsy tanteraka na iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hisaorana anie ny TOMPO Izay nanome fiadanana ny Israelita vahoakany araka izay rehetra nolazainy; fa tanterany antsipiriany avokoa ny teny soa nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.
Malagasy Bible 1865
Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an'ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin'izay teny soa rehetra nampilazainy an'i Mosesy mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Isaorana anie NY TOMPO, izay nanome fitsaharana ho an’ny Israely olony araka izay rehetra nolazainy! Tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.
malagasy