1 Kings 8:57 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho amintsika anie NY TOMPO Andriamanitsika, tahaka ny tamin’ny razantsika. Enga anie ka tsy handao na hahafoy antsika Izy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Homba antsika anie i Iaveh Andriamanitsika, toy ny efa nombany ny razantsika. Tsy handao antsika anie Izy, na hahafoy antsika,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa enga anie ny TOMPO Andriamanitsika mba hiaraka amintsika tahaka izay efa niarahany tamin’ireo razantsika; tsy hahafoy na handao antsika anie Izy,
Malagasy Bible 1865
Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho amintsika anie NY TOMPO Andriamanitsika, tahaka ny tamin’ny razantsika. Enga anie ka tsy handao na hahafoy antsika Izy
malagasy
Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,