1 Kings 8:59 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan’NY TOMPO izany ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika andro aman’alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Israely olony araka izay tandrify azy isanandro,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao teny fifonana nataoko teo anatrehan’i Iaveh izao, dia aoka ho mby akaikin’i Iaveh Andriamanitsika andro aman’alina, mba homeny rariny, araka izay ilaina isan’andro, izaho mpanompony sy i Israely vahoakany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotsaroan’ny TOMPO Andriamanitsika andro aman’alina anie izany teny fifonana nataoko teo anatrehany izany mba hanomezany rariny antsika vahoakany araka izay sahaza antsika isan’andro.
Malagasy Bible 1865
Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan'i Jehovah izany ho ao amin'i Jehovah Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan'andro,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan’NY TOMPO izany ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika andro aman’alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Israely olony araka izay tandrify azy isanandro,
malagasy