1 Kings 8:63 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namono zavatra hatao fanati-pihavanana izay natolony ho an’NY TOMPO i Solomona, dia omby roa arivo sy roa alina sy ondry aman’osy roa alina sy iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny Zanak’Israely rehetra ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namono omby 22.000 ary ondry 120.000 i Salômôna hatao sorom-pihavanana nateriny tamin’i Iaveh. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny zanak’i Israely rehetra ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna ho sorom-pihavanana ho an’ny TOMPO. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny Israelita rehetra ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an'i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny Zanak'Isiraely rehetra ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namono zavatra hatao fanati-pihavanana izay natolony ho an’NY TOMPO i Solomona, dia omby roa arivo sy roa alina sy ondry aman’osy roa alina sy iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny Zanak’Israely rehetra ny tranon’NY TOMPO.
malagasy