1 Kings 8:64 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’io andro io no nanamasinan’ny mpanjaka ny teo afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO, satria teo no nanolorany fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny jaboran’ny fanati-pihavanana, rehefa hita fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’NY TOMPO ka tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny jaboran’ny fanati-pihavanana naterina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohamasinin’ny mpanjaka androtr’izay ihany ny afovoan’ny kianja eo anoloan’ny tranon’i Iaveh, fa teo no nanolorany ny sorona dorana, sy ny fanatitra ary ny saboran’ny sorom-pihavanana; satria kely loatra ny ôtely varahina eo anoloan’i Iaveh, ka tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny saboran’ny sorom-pihavanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io andro io ihany no nanokanan’ny mpanjaka ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny saboran’ny sorom-pihavanana. Kely loatra manko ny alitara halimo teo anoloan’ny Toeramasina ka tsy omby ny zavatra rehetra natolotra.
Malagasy Bible 1865
Ary androtr'io ihany no nanamasinan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’io andro io no nanamasinan’ny mpanjaka ny teo afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO, satria teo no nanolorany fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny jaboran’ny fanati-pihavanana, rehefa hita fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’NY TOMPO ka tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny jaboran’ny fanati-pihavanana naterina.
malagasy