1 Kings 8:65 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’io fotoana io i Solomona, niaraka tamin’ny Israely rehetra, dia fiangonana lehibe izay tonga hatrany akaikin’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika hafitoana indroa, izany hoe efatra amby folo andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany, i Salômôna sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin’ny vava lalan’i Emata, ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia 14 andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’io volana fahafito io koa no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta. Koa nankalaza fety teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro indroa: izany hoe 14 andro.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin'ny folo andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’io fotoana io i Solomona, niaraka tamin’ny Israely rehetra, dia fiangonana lehibe izay tonga hatrany akaikin’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika hafitoana indroa, izany hoe efatra amby folo andro.
malagasy
Ary tamin'izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin'ny folo andro.Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.