1 Kings 8:66 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona. Dia nisaotra ny mpanjaka ireo ka lasa nandeha ho any amin’ny tranolainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely olony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny andro fahavalo, dia nalefany nody ny vahoaka. Dia nisaotra andriana, sy nandeha nankany amin’ny fonenany avy, sady faly izy ireo no ravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Iaveh tamin’i Davida mpanompony, sy tamin’i Israely vahoakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tamin’ny andro fahavalo dia nalefan’ny mpanjaka hody ny Israelita. Dia nanao veloma ny mpanjaka ireo ary lasa nody tany an-tranony avy sady faly sy ravoravo fo noho ny soa isan-karazany nataon’ny TOMPO tamin’i Davida mpanompony sy tamin’i Israely vahoakany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona. Dia nisaotra ny mpanjaka ireo ka lasa nandeha ho any amin’ny tranolainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely olony.
malagasy