1 Kings 8:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa izay nataon’i Mosesy tao anatiny, tany Horeba, tamin’ny nanaovan’NY TOMPO fanekena tamin’ny Zanak’Israely, rehefa nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao anatin’ny Fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak’i Môizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony i Iaveh nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon'i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa izay nataon’i Mosesy tao anatiny, tany Horeba, tamin’ny nanaovan’NY TOMPO fanekena tamin’ny Zanak’Israely, rehefa nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy.
malagasy