1 Kings 9:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Roapolo taona no nanaovan’i Solomona ny trano roa, dia ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka roapolo taona, ka efa naorin’i Salômôna ny trano roa, dia ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka: i Hirama, mpanjakan’i Tira, no efa namonona ny hazo sedera sy ny hazo sipresa mbamin’ny volamena ho an’i Salômôna araka izay nilainy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Hirama mpanjakan’i Tiro no nanome an’i Salômôna ny hazo sedera sy ny hazo kipreso ary ny volamena rehetra nilainy nenti-nanaovana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka. Nony afaka ny roapolo taona nanoneran’i Salômôna ireo trano roa ireo, dia nomeny tanàna roapolo tany amin’ny faritr’i Galilea i Hirama.
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan'i Solomona ny trano roa, dia ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Roapolo taona no nanaovan’i Solomona ny trano roa, dia ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka.
malagasy
[Ny amin'ny mpiasan'i Solomona sy ny zavatra nentiny nanao ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan'i Solomona ny trano roa, dia ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka