1 Kings 9:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampanao fanompoana ny olona i Solomona mpanjaka tamin’ny nanaovany ny tranon’NY TOMPO, ny lapan’andriana, i Milo, ny mandan’i Jerosalema, i Hazora, i Megido ary i Gezera.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao kosa no momba ny olona mpanao fanompoana nalain’i Salômôna, hanaovana ny tranon’i Iaveh sy ny tranony, i Melao sy ny mandan’i Jerosalema, i Hasera, i Megedaô, ary i Gazera.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no endriky ny asa anterivozona nampanaovin’i Salômôna hanamboarana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka, ny tokotany Milao, ny mandan’i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Hatsôra sy i Megidao ary i Gezera.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin'i Solomona mpanjaka ny olona, tamin'ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary Milo sy ny màndan'i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampanao fanompoana ny olona i Solomona mpanjaka tamin’ny nanaovany ny tranon’NY TOMPO, ny lapan’andriana, i Milo, ny mandan’i Jerosalema, i Hazora, i Megido ary i Gezera.
malagasy
Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin'i Solomona mpanjaka ny olona, tamin'ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary Milo sy ny màndan'i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera [Heb. fiarovana]