1 Kings 9:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Farao, mpanjakan’i Ejipta moa dia nanafika an’i Gezera ka nahazo azy ary nandoro azy tamin’ny afo. Ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny ka ny tanàna dia natolony ho fanomezana ho an’ny zanany vavy, vadin’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an’i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeanina nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an’ilay zanany vadin’i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notafihin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta mantsy i Gezera, ka azony ary nodorany rehefa avy naripany ho faty ny Kanahanita mponina tao; dia nataony fanomezana ho an-janany vavy vadin’i Salômôna izany,
Malagasy Bible 1865
(fa Farao, mpanjakan'i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an'i Gazera ka nandoro azy tamin'ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an'ny zananivavy, vadin'i Solomona),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Farao, mpanjakan’i Ejipta moa dia nanafika an’i Gezera ka nahazo azy ary nandoro azy tamin’ny afo. Ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny ka ny tanàna dia natolony ho fanomezana ho an’ny zanany vavy, vadin’i Solomona.
malagasy