1 Kings 9:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izany hoe ny taranak’izy ireo izay sisa nandimby azy teo amin’ny tany, ary tsy azon’ny Israely natao ho zavatra voaozona, ireo no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny tany, izay tsy azon'ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izany hoe ny taranak’izy ireo izay sisa nandimby azy teo amin’ny tany, ary tsy azon’ny Israely natao ho zavatra voaozona, ireo no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany.
malagasy
dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny tany, izay tsy azon'ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.[Heb. natao herema]