1 Kings 9:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy nampanaovin’i Solomona fanompoana kosa tamin’ny Zanak’Israely, satria izy ireo no miaramila miady, mpanompony, mpitari-tafika, mpanafika, lehiben’ny kalesy fitondrany miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy mba nisy nataon’i Salômôna andevo ny zanak’i Israely, fa izy ireo no lehilahy mpiantafika, mpanompony, mpifehy, manamboninahitra, komandin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin’i Salômôna izany, fa narotsany ho miaramila na ho manamboninahitra na ho mpitari-tafika na ho mpiantafika voafantina na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.
Malagasy Bible 1865
Fa ny Zanak'Isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa ny Zanak'Isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.