1 Kings 9:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Intelo isan-taona no nanoloran’i Solomona fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho an’NY TOMPO ka sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ny alitara teo anatrehan’NY TOMPO izy amin’io. Dia novitainy ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Intelo isan-taona no nanateran’i Salômôna sorona dorana aman-tsorom-pihavanana, teo ambonin’ny ôtely nataony ho an’i Iaveh, sady nandoro zava-manitra teo ambonin’ny ôtely izay eo anatrehan’i Iaveh koa izy. Toy izany no nahavitany ny trano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Intelo isan-taona i Salômôna no nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’ny alitara izay naoriny ho an’ny TOMPO. Ary nampandoro vovo-javamanitra koa izy ho fanajana ny TOMPO. Izany no nampiasany ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary intelo isan-taona no nanateran'i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin'ny alitara teo anatrehan'i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Intelo isan-taona no nanoloran’i Solomona fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo ambonin’ny alitara izay naoriny ho an’NY TOMPO ka sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ny alitara teo anatrehan’NY TOMPO izy amin’io. Dia novitainy ny Trano.
malagasy