1 Kings 9:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Hirama dia nampandeha ny mpanompony tamin’ny sambo mba hiaraka amin’ny mpanompon’i Solomona, fa izy ireo dia tantsambo nahay ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nalefan’i Hirama tamin’izany sambo izany ny mpanompony, izay matilò mahay ranomasina, hiaraka amin’ny mpanompon’i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalefan’i Hirama tamin’ireo sambo ireo ny tantsambony izay matilò nahay ranomasina mba hiaraka amin’ny tantsambon’i Salômôna.
Malagasy Bible 1865
Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin'ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin'ny vahoakan'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Hirama dia nampandeha ny mpanompony tamin’ny sambo mba hiaraka amin’ny mpanompon’i Solomona, fa izy ireo dia tantsambo nahay ranomasina.
malagasy
Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin'ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin'ny vahoakan'i Solomona.Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.