1 Kings 9:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO taminy: Efa reko ny vavaka sy ny fifonana izay nataonao teo anatrehako; koa hamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay, ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavaka amam-pifonana nataonao tamiko; koa efa voatokako ho Ahy ity trano nataonao ity mba hampitoerako mandrakizay ny voninahitro; ka ho ao aminy mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO taminy: Efa reko ny vavaka sy ny fifonana izay nataonao teo anatrehako; koa hamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay, ary ho amin’ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
malagasy