1 Kings 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary na dia avo aza ity trano ity dia mbola hitalanjonan’izay rehetra mandalo izy sady hisioka azy ireo ka hilaza hoe: Naninona re no dia nataon’NY TOMPO toy izao ity tany ity sy ity trano ity?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ho avo toerana ihany ity trano ity, nefa hitalanjonana sy hisitrisîran’ny mpandalo rehetra. Dia hiteny ny olona hanao hoe: Fa naninona no dia nataon’i Iaveh toy izao ity tany ity sy io trano io?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia avobe aza ity tempoly ity fahiny, dia hivarahontsana izay rehetra mandalo eo akaikiny ka hanontany hoe: «Nahoana no dia nataon’ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ity?»
Malagasy Bible 1865
ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan'izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary na dia avo aza ity trano ity dia mbola hitalanjonan’izay rehetra mandalo izy sady hisioka azy ireo ka hilaza hoe: Naninona re no dia nataon’NY TOMPO toy izao ity tany ity sy ity trano ity?
malagasy
ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan'izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?