1 Peter 1:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voambara aminareo ankehitriny, tamin’ny tenin’ireo nitory ny Filazantsara taminareo tamin’ny Fanahy Masina izay nirahina avy tany an-danitra. Izany zavatra izany dia mahaliana ny anjely tokoa ny hijery azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy, dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin’ny Anjely hojerena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.
Malagasy Bible 1865
Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voambara aminareo ankehitriny, tamin’ny tenin’ireo nitory ny Filazantsara taminareo tamin’ny Fanahy Masina izay nirahina avy tany an-danitra. Izany zavatra izany dia mahaliana ny anjely tokoa ny hijery azy.
malagasy