1 Peter 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa amin’izany dia atanjaho ny sainareo ka mahonòna tena ary manàna fanantenana feno ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Malagasy Bible 1865
Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa amin’izany dia atanjaho ny sainareo ka mahonòna tena ary manàna fanantenana feno ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy*.
malagasy
[Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;