1 Peter 1:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
araka ny fahalalana mialoha izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fankatoavana sy ny famafazana ny ran’i Jesosy Kristy: Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany. Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!
Malagasy Bible 1865
araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
araka ny fahalalana mialoha izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fankatoavana sy ny famafazana ny ran’i Jesosy Kristy: Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
malagasy