1 Peter 1:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia tsy hitanareo akory aza Izy dia tianareo; ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza Izy kanefa inoanareo dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy hay tononina sady be voninahitra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manam-pitiavana an’i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra,
Malagasy Bible 1865
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia tsy hitanareo akory aza Izy dia tianareo; ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza Izy kanefa inoanareo dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy hay tononina sady be voninahitra,
malagasy
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,