1 Peter 2:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny Jentilisa, mba ho eo amin’izay anendrikendrehany anareo indrindra ho mpanao ratsy no hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.
Malagasy Bible 1865
ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny Jentilisa*, mba ho eo amin’izay anendrikendrehany anareo indrindra ho mpanao ratsy no hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiany.
malagasy
ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.