1 Peter 2:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa inona no laza raha toa kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka miaritra an’izany? Fa raha toa ka manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy miaritra dia fahasoavana eo anatrehan’Andriamanitra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy ianareo ka miaritra ny kapoka valin’izany? Fa raha manao soa ianareo no ampahorîna, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Inona tokoa moa no lazanareo, raha tàhiny manao hadisoana ianareo no kapohina ka mandefitra? Fa raha tàhiny manao soa ianareo no nampahorîna ka mandefitra, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa inona no laza raha toa kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka miaritra an’izany? Fa raha toa ka manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy miaritra dia fahasoavana eo anatrehan’Andriamanitra izany.
malagasy